1 Ho an'ny mpiventy hira. Al-tasheth. Miktama nataon'i Davida. Moa ny tsi-fitenenana va ataonareo ho filazana ny marina*? Mitsara mahitsy va ianareo, ry zanak'olombelona?[Na: Moa milaza ny maraina tokoa va ianareo, ry mahery?]

2 Tsy izany, fa ny fonareo no amoronanareo ny ratsy; mandanja ny fandozan'ny tananareo et? an-tany ianareo.

3 Mivily hatrany am-bohoka ny ratsy fanahy; mania hatrany an-kibo izy ka miteny lainga.

4 Misy poizina tahaka ny an'ny menarana aminy; eny, tahaka ny vipera marenina izay manentsin-tadiny izy,

5 Ka tsy mihaino ny feon'ny mpanao ody, na dia izay mpahay ody indrindra aza.

6 Andriamanitra , torotoroy ny nifiny eo am-bavany; omboty ny vazan'ny liona tanora, Jehovah .

7 Aoka ho ritra tahaka ny ranotrambo izy; raha atraniny ny zana-tsipkany, dia aoka ho tapa-doha ireny;

8 Aoka ho tahaka ny lelosy izay mihalevona eny am-pandehanana izy; Aoka ho tahaka ny zaza-vakimanta izay tsy mahita masoandro izy.

9 Dieny tsy mbola mafanan'ny afon-tsilo ny vilaninareo, aoka ho entin'ny tafio-drivotra ireny, na ny lena na ny maina.

10 Hifaly ny marina, raha mahita ny famaliana; hanasa ny tongony amin'ny ran'ny ratsy fanahy izy;

11 Dia hiteny ny olona ka hanao hoe: misy valiny* tokoa ho an'ny marina; misy tokoa Andriamanitra Izay mitsara et? ambonin'ny tany.[Heb: vokatra]
